|
|
|
|

Entrée1  Ilay fasan-tsakaiza tiana
Mots élémentaires  2  ilay, 3  fasana, 4  sakaiza, 5  tiana
Partie du discours  6  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  7  Littérature: poèmes
Auteur  8  Ny Avana
Texte complet  9  Hodidinin'alam-bero,
10  tsy an-tanin-tena akory;
11  ry mpandalo ! itsero
12  'ty zatovo mampahory!

13  Solon-dray mba manoloana,
14  solon-dreny mahazatra:
15  rafi-bato mikitoana ,
16  tany mena ambony tratra,

17  ranon'ando mangatsiaka,
18  danik'andro mahamay,
19  rivodrivo-mitsoriaka,
20  ary lolo miolomay !

21  Nefa kosa italanjony,
22  ry mpandalo, igagao:
23  ny anjely any ambony
24  tonga koa mitsidika ao!

Mis à jour le 2025/09/13